Aller au contenu

Trompetra

Avy amin'i Wikipedia
Trompetra

Ny trompetra dia zavamaneno tsofina, vita amin' ny fantsona manana halava mirefy 1,50 m, fampiasa matetika amin' ny vondron-javamaneno klasika sy jazz. Ny varahimavo indrindra no metaly ampiasaina amin' ny fanamboarana trompetra (70 %). Amin' ny filalaovana azy dia matetika mampiasa pistô telo (indraindray efatra ao amin' ny trompetra pikôlô - ny avo feo indrindra).

Nampiasaina ho fitaovana fiantsoana amin' ny ady na fihazana ny zavamaneno mitovitovy amin' ny trompetra, misy ohatra efa hatramin' ny 2000 tal JK fara fahakeliny. Nanomboka nampiasaina ho zavamaneno izy ireo tamin' ny faramparan’ ny taonjato faha-14 na tany am-piandohan' ny taonjato faha-15. Ampiasaina amin' ny karazana mozika maro ny trompetra, ohatra amin' ny ôrkesitra, vondrona jazz, ary koa amin' ny mozikam-bahoaka.

Mivoaka amin' ny alalan' ny fipararetran' ny molotry ny mpitsoka - izay miteraka onja ao amin' ny tsangana-drivotra ao anatin' ilay zavamaneno - ny feon' ny trompetra. Nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-15 dia vita amin' ny fantsona varahimavo, matetika miforitra indroa tahaka ny mahitsizoro noboriborina, ny trompetra.

Misy karazany maro ny trompetra, ary ny ankamaroany dia ao amin' ny haavom-peo B♭ (fitaovana mamindra feo), ka ny halavan' ny fantsona nanamboarana azy dia mirefy 1,48 m eo ho eo. Tsy azo novana ny halavan' ny fantson' ny trompetra tany am-boalohany, fa ny zavamaneno môderina amin' ny ankapobeny dia manana valva telo (na efatra indraindray) mba hanovana ny haavom-peony. Manana valva misy fitavoka (na pistô) ny ankamaroan' ny trompetra, fa ny sasany kosa dia manana karazana valva afaka mihodinkodina (indrindra amin' ny ôrkestra alemàna sy amoin' ny ôrkestra manana filatro alemàna). Fampiasa matetika kokoa ao amin' ny ôrkestra ny trompetra manana valva mihodinkodina, na dia miovaova arakaraka ny firenena aza izany fanao izany.

Araka ny haavon' ny feony, ny karazana trompetra dia manomboka amin' ny trompetra pikôlô - manana rejisitra ambony indrindra ao amin' ny fianakaviana "varahina" - ka hatrany amin' ny trompetra beso, naneno ôktava iray ambanin' ny trompetra B♭ (Si♭) na C (Do) mahazatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]