Aller au contenu

Soatoavina

Avy amin'i Wikipedia
Soatoavina ara-kolontsaina eto amin' izao tontolo izao araka an' i Ronald Inglehart sy i Christian Welzel (2004). Ny teza mandry dia manavaka ny soatoavina ahafaha-miaina (ankavia) amin' ny soatoavin' ny fampandrosoana ny tsirairay (ankavanana), fa ny teza mitsangana kosa manasongadina ny soatoavina nentim-paharazana (ambany) sy ny soatoavina tsy ara-pivavahana sy ara-tsaina (ambony)

Ny soatoavina dia ny halehiben' ny fananan-danjan' ny zavatra na asa na hetsika iray, izay manao tanjona ny hamaritra ny asa na hetsika tsara indrindra tokony hatao na ny fomba tsara indrindra tokony hiainana, na hamaritra ny maha zava-dehibe ny hetsika samihafa. Ny lamin-tsoatoavina dia finoana madrara sy mandidy hanao; misy fiantraikany amin' ny fitondran-tenan' ny olona na fototry ny hetsika natao am-piniavana ireo lamina ireo. Matetika ny soatoavina fototra dia matanjaka fa ny soatoavina faharoa dia afaka miova. Ny mahatonga ny hetsika ho sarobidy na hanan-danja dia mety hiankina amin' ny soatoavina etikan' ny zavatra ampitomboiny na ahenany na ovany. Ny zavatra misy "soatoavina etika" dia azo antsoina hoe "ny tsara araka etika" na "ny tsara ara-pilôzôfia".

Ny soatoavina dia azo faritana ho safidy malalaka momba ny drafi-ketsika na vokatra mifanaraka amin' ny zava-misy. Noho izany, ny soatoavina dia maneho ny fahatsapan' ny olona ny tsara sy ny ratsy na ny tokony ho izy. Anisan' ny maneho ny soatoavina ny fanomezan-jo mitovy ny olona rehetra, sy ny tokony hiderana ny hatsarana, ary ny tokony hanajana sy hanomezam-boninahitra ny olona. Ny soatoavina dia misy fiantraikany amin' ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ireto dia ahitana ny soatoavina araka etika / ara-pitondran-tena, soatoavina ara-potopampianarana / ara-potokevitra (fivavahana, pôlitika), soatoavina ara-piarahamonina ary soatoavina ara-javakanto (estetika). Ny soatoavina dia lazaina fa tonga lafatra ary mahatonga ny olona na ny fitondran-tena manana izany ho mendrika ny hirina na hoderaina.