Islandy
I Islandy dia firenena nosy any Eorôpa, ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika Avaratra, eo atsimo akaikin’ ny Faribolan-tendrontany avaratra. Ny renivohiny dia i Reykjavík. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 103 001 km2 ny velaran-taniny ary niisa 321,857 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 12 Febroary 2013. Ny faritr'ora dia +0.
I Islandy dia nosin’ afotroa izay ahitana afotroa miisa 200 any ho any ary nmisy saham-petan’ afotroa avy amin’ izy ireo izay mandrakotra ny 10 %n’ ny velaran-tanin’ ilay firenena. Ahitana fitoeran-dranomandry sy farihy madinika ary rian-drano betsaka koa ny any. Ny tany a-morontsirak’ i Islandy dia voatetitetika. Mandrakotra ny 25 %n’ ny velaran-taniny ny lemaka izay manaraka ny morontsiraka. Na dia manakaiky ny faribolan-tedrontany aza i Islandy dia malefaka ny toetaniny noho ny fisian’ ny ranomasimbe, na dia izany aza dia mamirifiry ny hatsiaka.
Ranoray ny mponina any Islandy, izay manam-piaviana nôrdika na tseltika. Ny loteranisma no fivavahana be mpanaraka indrindra any. Manakaiky ny 95 %n’ ny mponina any no monina an-tanàn-dehibe. Ambany dia ambany ny hakitroky ny mponina. I Islandy no manana taham-pahafatesan’ ny zaza ambany indrindra maneran-tany ary ny salan-kaela velon’ ny mponina any no ambony indrindra maneran-tany mahatratra 78 taona ny an' ny lehilahy fa 82 taona kosa ny an' ny vehivavy.
Ny jono no seha-pihariana sahanin’ ny ankamaroan’ ny mponina any, izay miantoka ny 80 %n’ ny vola miditra avy amin’ ny fanondranana etana. Voafetra ny fambolena any Islandy noho ny tsy fahampian’ ny tanhy atokana ho an' ny fambolena (1 % amin’ ny tany azo anaovan-javatra). Ny 20 %n’ ny tany anefa atokana hiraofan’ ny biby fiompy (indrindra ny ondry). Manana otrik' angovo lehibe dia lehibe i Islandy ka ny 80 %n’ ny angovo vokarina any dia azo avy amin’ ny tohadrano.
Nanomboka tamin’ ny taona 1993 i Islandy dia nikambana tao amin’ ny Erana ara-Toekarena Eorôpeana (frantsay: Espace Economique Européen -- EEE). Tsy manana tafika ity firenena ity afa-tsy ny mpiandry morontsiraka izay miisa 130 fotsiny.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany