Aller au contenu

Fanisana amin' ny teny malagasy

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanisana amin' ny teny malagasy dia voanteny na andian-teny ampiasaina ho anaran' ny isa ao amin' ny fiteny malagasy. Amin' ny fitsipiteny dia atao hoe mpamaritra isa ireo voanteny sy andian-teny ireo. Ampiraisina amin' ny anarana ny mpamaritra isa mba hilazana ny isa na laharan' ny zavatra lazaina amin' io anarana io.

Lisitry ny voanteny ampiasaina hilazana isa

[hanova | hanova ny fango]

Ny isa manomboka amin' ny aotra ka hatramin' ny folo dia soratana amin' ny voanteny tokana, toy izany koa ny isa songatombon' ny folo (20, 30, ..., 90), ny songatombon' ny zato (200, 300, ..., 900), ny teny hoe arivo, alina, hetsy, tapitrisa, ary lavitrisa, ankoatry ny hafa.

Voanteny fampiasa matetika

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny isa soratana amin' ny voanteny tokana fampiasa matetika, izany hoe sady tsy misy tsipi-panohizana no tsy misy faingo mihantona: aotra (0), zerô (0), iray (1), iraika (1), roa (2), telo (3), efatra (4), dimy (5), enina (6), fito (7), valo (8), sivy (9), folo (10), roapolo (20), telopolo (30), efapolo (40), dimampolo (50), enimpolo (60), fitopolo (70), valopolo (80), sivifolo (90), zato (100), roanjato (200), telonjato (300), efajato (400), dimanjato (500), eninjato (600), fitonjato (700), valonjato (800), sivanjato (900), arivo (1 000), alina (10 000), hetsy (100 000), tapitrisa (1 000 000), lavitrisa (1 000 000 000)[1].

Voanteny tsy fahita matetika ilazana isa

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny isa soratana amin' ny voanteny tokana (sady tsy misy tsipi-panohizana no tsy misy faingo mihantona), izay tsy tena ampiasaina amin' ny fiteny andavanandro: alina (10 000), hetsy (100 000), tapitrisa (1 000 000), safatsiroa (10 000 000), tsitamboisa (100 000 000), lavitrisa (1 000 000 000), alinkisa (10 000 000 000), tsipesimpesenina (100 000 000 000), tsitokotsiforohana (1 000 000 000 000), tsihitanoanoa (10 000 000 000 000).

Fanakambanana anarana isa

[hanova | hanova ny fango]

Isa latsaky ny zato

[hanova | hanova ny fango]

Ny isa mihiatra ny folo ka hatramin'ny latsaky ny roapolo (11 -- 19) dia soratana amin' ny fanombohana amin' ny venty, arahin' ny teny hoe "ambin' ny", avy eo amin' ny teny hoe "folo": iraika ambin' ny folo (11), roa ambin' ny folo (12), telo ambin' ny folo (13), efatra ambin' ny folo (14), dimy ambin' ny folo (15), enina ambin' ny folo (16), fito ambin' ny folo (17), valo ambin' ny folo (18), ary sivy ambin' ny folo (19).

Ny isa ankoatr' ireo etsy aloha ireo dia soratana amin' ny fanombohana amin' ny venty (iraika ... sivy), arahin' ny teny hoe "amby", ary ny ampolony (ohatra: efatra amby telopolo (34), fito amby efapolo (47).

Isa mihoatra ny zato sy latsaka ny arivo

[hanova | hanova ny fango]

Ny isa mihoatra ny zato dia soratana amin' ny fanombohana amin' ny venty, mitohy amin' ny isa lehibe kokoa, amin' ny fampifandraisana ny venty, ny ampolony, ny anjatony,amin' ny teny hoe "amby" (hatramin' ny 999), ohatra: ohatra: sivy amby telopolo amby roanjato (239). Ny isa lehibe kokoa noho ireo dia atohy amin' ny alalan' ny teny hoe "sy" (ohatra: dimy amby sivifolo sy efajato sy fito arivo (7 495).

Songatombo mihoatra ny arivo

[hanova | hanova ny fango]

Ny songatombon' ny arivo dia soratana amin' ny fanombohana amin' ny isan' ny arivo avy eo ny teny hoe "arivo"; ohatra: roa arivo (2 000), telo arivo (3 000), efatra arivo (4 000), dimy arivo (5 000), ..., sivy arivo (9 000). Toy izany koa ny songatombon' ny alina, ohatra: roa alina (20 000), telo alina (30 000), efatra alina (40 000), ..., sivy alina (90 000). Toy izany koa ny songatombon' ny hetsy, ohatra: roa hetsy (200 000), telo hetsy (300 000), efatra hetsy (400 000), ..., sivy hetsy (900 000). Toy izany koa ny songatombon' ny tapitrisa; ohatra: roa tapitrisa (2 000 000), telo tapitrisa (3 000 000), efatra tapitrisa (4 000 000), ..., sivy tapitrisa (9 000 000). Toy izany koa ny songatombon' ny lavitrisa; ohatra: roa lavitrisa (2 000 000 000), telo lavitrisa (3 000 000 000), efatra lavitrisa(4 000 000 000), ..., sivy lavitrisa (9 000 000 000) sns.

Famintinana ny anaran' ny toraky ny folo

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny famintinana famintinana ny anaran' ny isa fototra amin' ny teny malagasy:

Toraky ny folo Anaran' ny isa Tarehimarika Anarana mahasolo azy
100 Isa, iray, iraika 1
101 folo 10
102 zato 100
103 arivo 1 000
104 alina 10 000
105 hetsy 100 000
106 tapitrisa 1 000 000
107 safatsiroa 10 000 000 folo tapitrisa
108 tsitamboisa 100 000 000 zato tapitrisa
109 lavitrisa 1 000 000 000 arivo tapitrisa
1010 alinkisa 10 000 000 000 folo lavitrisa alina tapitrisa
1011 tsipesimpesenina 100 000 000 000 zato lavitrisa hetsy tapitrisa
1012 tsitokotsiforohana 1 000 000 000 000 arivo lavitrisa tapitrisa tapitrisa
1013 tsihitanoanoa 10 000 000 000 000 alina lavitrisa folo tapitrisa tapitrisa

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Misy ny mihevitra fa tsy mihoatra ny "tapitrisa", hono, ny voanteny tokana ampiasaina amin' ny fiteny malagasy ho enti-manisa, koa noho izany, amin' izy ireo dia tsy misy ny hoe "lavitrisa" sy ny ambonin' izany.