Aller au contenu

Kanadiga (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Ankizy sy vehivavy kanadiga manao akanjo nentim-paharazana

Ny Kanadiga na Kanaḍigaro na Kanada dia vondrom-poko ara-piteny dravidiana izay miteny kanada sady mamototra ny razambeny hatrany amin' ny Fanjakan' i Karnataka any India Atsimo sy ny faritra manodidina azy. Ao amin' ny fianakaviam-piteny dravidiana ny fiteny kanada izay anisan' ny fiteny 30 be mpampiasa indrindra eran-tany tamin' ny taona 2001.

Efa nisy hatramin' ny taonarivo faha-2 tal JK, fara fahakeliny, ny porofo momba ny fonenan' ny olombelona tao Karnataka, ary voalaza fa nifandray tamin' ny Sivilizasiônan' ny Lohasahan' i Indosy ilay faritra. Tamin' ny taonjato faha-3 sy faha-4 tal JK dia nofehezin' ny Maoria (Maurya) ny tany ary ny jainisma no fivavahana nanjaka tao. Voalaza fa ny emperora maoriana Chandragupta Maurya, taorian' ny nandaozany ny seza fiandrianana ho an' i Bindusara zanany lahy, dia nandany ny androm-piainany tany amin' ny faritr' i Shravanabelagola niaraka amin' ny gorò jaina izay mpampianany.

I Hampi, renivohitry ny Empira Vijayanagara

Taorian' ny Maoria dia nofehezin' ny tarana-mpanjaka kanadiga ara-poko na avy any ivelany ny ampahany maro amin' i Karnataka. Naorin' ny lehiben' ny Kanada, izay mpiaro lehibe ny zavakanto sy ny literatiora kanada, ny iray amin' ny empira nalaza indrindra tao aminy, dia ny Empira Vijayanagara. Anisan' ny fanjakana kanada lehibe sy tarana-mpanjaka nitondra ny faritra ny Kadamba, ny Chalukya, ny Rashtrakuta ary ny Hoysala.

Nanaovana sora-tsokitra tamin' ny taona 450 tany ho any ny fiteny kanada. Ahitana lahatsoratra momba lohahevitra samihafa sy tononkalo momba ny asa ara-pivavahana ny literatiora kanada. Anjakan' ny lapa misy vato vita sokitra sy tempoly ary trano hazo nentim-paharazana fantatra amin' ny anarana hoe thotti mane sy chowki mane. ny maritrano kanada. Ankehitriny dia maro amin' ny maritrano ara-pivavahana naorina tamin' ny Andro Taloha sy tamin' ny Andro Antenatenany no toerana lova iraisam-pirenena nofaritan' ny UNESCO.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]